RAHARAHA DEPIOTE LEVA MIVADY : Raharaha kolikoly ve ?

Efa misy ny fanadihadiana atao raha misy ny resaka kolikoly na tsia eo amin’ny raharahan’ny  depiote teo aloha, Ludovic Adrien Raveloson (na i Leva) sy Yvonne Razafindrazalia vadiny.
Eo  koa anefa ny fanadihadiana ataon’ny eo anivon’ny Fitsarana amin’ny Fitsarana ao Toliary, mikasika ny nanomezana fahafahana vonjimaika an’i Leva, ka hamantarana  raha nisy ny fahadisoana nataon’ilay Mpitsara na anton-javatra hafa mihitsy no namoahana an’ity depiote tokony hisazy ity.

Fanazavana nentin-dRazafindrakoto Solohery, tompon’andraikitra eo anivon’ny Fitsarana miady amin’ny kolikoly izany, manoloana ny raharahan’ny depiote Leva mivady.

Miandry ny Fampanoavana

Mikasika an-dRtoa  Yvonne Razafindrazalia vadiny kosa no nilazan’ity tompon’andraikitry ny Fitsarana ity fa efa navotsotry ny zandary izy, satria lany Solombavambahoaka. Misy manko ny lalàna milaza fa rehefa depiote dia misy ny fombafomba tsy maintsy arahina. Noho izany, najanona  aloha ny famotorana azy, ka andrasana ny fangatahana manokana izay atao eny amin’ny Tonia Mpampanoa lalàna eo anivon’ny Fitsarana fandravana, ahazoana manao ny fanadihadiana azy.

Raha mialoha ny naha-depiote azy no nanaovany ilay heloka dia tsy misy ny fizakana ny zo tsy azo ivalozana na ny tsy fahazoana manenjika depiote . Noho izany, ny fanenjehina azy dia tsy maintsy ahazoana alalana.

Vous aimerez aussi