Manaitra ny fitondram-panjakana ao anatin’ny 15 andro ny mpanakanto Rah-Ckiky, hitadiavan’izy ireo vahaolana maika momba ilay valan’aretina Coronavirus. Raha tsy mahita vahaolana ny fanjakana dia izy mihitsy no hijoro sahy hiaro ny vahoaka amin’io aretina io, hoy ny fanazavany. Nambarany, fa mandry manana aretina ny vahoaka Malagasy amin’izao, ka nahatonga azy nihetsika ary nanangana ny fikambanana GMAFI na Gasy Mahitsy FIjery, izay hiaro io aretina io amin’ny alalan’ny BAC na “Brigade Anti-Coronavirus”.
Araka ny fanazavan’i Rah-Ckiky tamin’ny mpanao gazety io maraina io tao amin’ny biraon’ny HAFARI teny Anosizato, dia tsy vahaolana ho an’ny GMAFI ny fitsaboana olona ahiana ho mitondra ilay aretina coronavirus eny Anosiala. Tsy vitan’ny fitarafana fotsiny izany, fa ny fandraisana andraikitra ataon’ny tsirairay miaraka amin’ny fanjakana, ny ministeran’ny fahasalamana, ny fiaraovam-pirenena, ny fiarovana io aretina io. Raha tsy mahita fanafody fanafana, vakisiny amin’io aretina io ny fitondrana dia hijoro avy hatrany ny GMAFI tarihiny miaraka amin’ny vahoaka Malagasy. Tokana ny vahaolana omeny, dia ny fanidiana ny sisitany manerana ny nosy sy ny seranam-piaramanidina sy ny seranan-tsambo, mba tsy hidiran’ny vahiny eto amintsika intsony, hoy izy, fa efa tandindomin-doza amin’io valan’aretina io ny firenena. Nambaran’i Rah-Ckiky, fa tsy resy lahatra amin’io fitsaboana atao eny amin’ny hopitaly Anosiala io ny tenany sy ny GMAFI. Tsy vitan’ny fijerena maso sy “tension” fotsiny izany, fa fandraisana fepetra hentitra mba tsy hidiran’izany aretina izany eto, hoy izy. Tsy matahotra fisamborana ny tenany, raha izay no hitany fa fiarovana ny vahoaka amin’io aretina io ary manaiky ny ho maritiora koa ny lehilahy, hoy izy tamin’ny feo hentitra.


