POSIPOSY : Voarara tsy hitatitra olona

Tsy afaka mitondra olona intsony ireo posiposy mifamoivoy eto Iarivo. Antony nandraisana ny fepetra ny ho fisorohana ny mety ho fifampikasohana eo amin’ireo olona taterina amin’izy ireny ka mety hampihanaka haingana ny valanaretina covid- 19. Anisan’ny sazy mety hihatra amin’ireo mpitarika posy mandika izany, hoy ny tompondraikitry ny fandrindrana ny fifamoivoizana sy ireo mpitandro ny filaminana ny fanagiazana ireo posiposy sy ny fandoavana lamandy.

Afaka mitatitra entana

Afaka miasa malalaka amin’ny fitaterana ireo entana eto an-drenivohitra kosa anefa ireo mpitarika posiposy eto an-drenivohitra sy ny manodidina rehefa manaraka ny fitsipika mifehy ny fifamoivoizana mba tsy hitera-doza ho an’ny hafa mpampiasa ny lalana.

Tsy iadian-kevitra fa vao mainka nampitombo betsaka ny fahasahiranan’ny vahoaka malagasy ny fisian’ny valanaretina covid- 19 noho ny fihenan’ny fotoana ahafahan’ny isam-batan’olona mitsikaraka izay harapaka isanandro sy ny fikatonan’ireo orinasa maro ankehitriny. Nisy ny fizarana fanampiana efa nataon’ny fanjakana foibe saingy toa tari-drano ankilahila ihany izy ireny ka ny mania no betsaka. Ireo olona miaina anaty fahasahiranana lalina anefa maro no mampiakam-peo fa tsy mbola nahavoaray ny fanampiana hatreto. Mila fanaraha-maso hentitra ihany koa, araka izany, ny fomba hitsinjarana ireo fanampiana ho an’ny mponina sahirana mba tsy hiteraka lonilonim-piaraha-monina hafa indray.

Vous aimerez aussi