ISOTRY : Mirongatra ny asan-jiolahy

Tsy mifidy fotoana hanaovana ny asa ratsiny intsony ny jiolahy eny amin’ny faritra Isotry iny. Na andro mazava be izao aza dia tsy misalasala intsony ry zalahy manao sinto-mahery.
Andrasany sy hanaovany kendry tohana ny mpiantsena ka tsy ny vola na finday intsony no alain-dry zalahy fa endahiny ny harona misy ireo entana.

Ramatoa iray sendra niantsena teny amin’ny Petite vitesse iny no niharan’izany, io maraina io, tokony ho tamin’ny 9 ora.

Tetezan-dRamala

Tsy olona iray ihany anefa no manao fitarainana momba izany asa ratsy izany fa misimisy ihany, hoy ilay tsy mahay manisa.

Ankoatra ny tsi-fisian’asa dia ambaran’ny mponina manodidina fa ny fifohana sy fisotroana zava-mahadomelina no fialambolin’ireo tanora, amin’izao fotoana izao. Ary dia miroso amin’ny asa ratsy avy eo.

Amin’iny tetezan-dRamala iny, Fokontany IVO no miporitsaka ireo jiolahy avy nanao ny asa ratsiny ary any dia tsy hita.

Saika isan’andro ary isaky ny adiny iray, hoy ny filazan’ny manodidina, no ahitana izany fihetsika ataon’ny mpisam izany.

Tsy misy fidiram-bola

Mety hifandraika amin’ny toe-java-misy ankehitriny ihany ny toe-javatra tahaka izany satria maro no mampiaka-peo ny eny ambany tanàna fa tsy mahazo ity fanampiana zarain’ny Fitondrana ity.

Raràna ihany koa anefa ny fivarotana eny amin’ny Petite vitesse ka tsy manana fidiram-bola ny sasany.

Nanao fanambarana mihitsy ny polisim-pirenena avy ao amin’ny CSP4 Isotry ny amin’ny fampahatsiahivana ny tsy tokony hivarotana afa-tsy ny hani-masaka. Ary noferana ho tsy  maintsy mirava amin’ny 12 ora koa anefa izany.

Tokony haka fepetra manoloana ny asa ratsy koa anefa ny polisy ka hiaro ny vahoaka sy ny fananany.

Vous aimerez aussi