FIVAROTANA ARO VAVA VITA MALAGASY : Bizina miroborobo, mila fanaraha-maso

Tao anatin’ny fotoana fohy dia niroborobo fatratra ny fivarotana ireo aro vava vita malagasy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ary hatrany amin’ny faritra noho ny fisian’ny valanaretina covid- 19.

Manodidina ny 500 hatramin’ny 1 000 Ariary ny vidin’izy ireny. Antony nampahazo vahana ny fivarotana ny aro vava ny fanerena ataon’ireo mpitandro ny filaminana ireo Olombelona mifamoivoy eny an-dalambe ny amin’ny tsy maintsy hampiasana ity fitaovana ity ho fiarovana amin’ny fihanaky ny covid- 19. Niteraka asa fihariana vaovao ho an-dRamalagasy indray, araka izany, ny fisian’ny covid- 19 eto an-tanindrazana.

Mila fanaraha-maso

Mitaky fanaraha-maso akaiky avy amin’ny fanjakana foibe ny manodidina ny kalitaon’ireo aro vava vita eto an-toerana amidy etsy sy eroa ankehitriny. Manaraka ny fenitra takiana amin’ny maha fitaovana iarovana tsy hiparitahan’ny viriosy avy amin’ny piti-drora tokoa ve, hoy ity mpanjifa iray nitafa fohy taminay ny karazan’akora toy ny lamba ampiasain’ireo mpanjaitra ny aro vava vita malagasy sa rehefa mety ho tapa-damba dia mety ampiasaina avokoa hanamboarana ireo aro vava ? Misy pitsopitsony tsy maintsy arahana tokoa mantsy ny fomba fanamboarana ireo aro vava mba hanaraka ny fenitry ny fahasalamana izy ireny.

Tsy ny lafiny fanamboarana azy ireny ihany anefa no ilàna fanaraha-maso avy amin’ireo tomponandraikitra fa eo ihany koa ny tontolon’ny fivarotana azy ireny. Voahaja ve ny lafiny fahadiovana sa dia mandeha ho azy, araka, ny fitenenana mahazatra ny fivarotana azy ireny eny ankalamanjana rehetra eny ? Sao hiteraka aretim-baovao hafa indray ny famelana gaboraraka sy tsy misy fanaraha-maso ny fivarotana ireo aro vava vita eto an-toerana. Mila fandraisana andraikitra maika sy hentitra ny toe-draharaha mba tsy hitera-doza sanatria.

Vous aimerez aussi