DISTRIKAN’I MITSINJO : Nampisahotaka ny mponina ny fahatongavan’ireo teratany sinoa roalahy

Ny alakamisy lasa teo dia nisy teratany sinoa roalahy tonga tany amin’ny Distrikan’i Mitsinjo. Nikoropaka ny iray tanàna na dia efa nampiseho taratasy fanamarinana fa nahavita ny 15 andro fihibohana na “certificat de fin de mise en quarantaine” izay nomen’ny Fanjakana aza izy ireo. Voatery nidina ifotony tany an-toerana ny tompon’andraikitra nijery akaiky ny zava-nisy. Nasaina nanao taratasy fanekena fa hanao fihibohana  an-trano mandritra ny 15 andro hafa indray izy mirahalahy ireo, izay mpiasa amina orinasa any Namakia. Rehefa tapitra izay fe-potoana izay, dia afaka mivoaka ary mandray ny asa aman-draharahany amin’izay izy ireo, hoy ny fanazavana.

Araka ny fantatra,  dia efa lasa tebiteby amin’ny vahoaka any Mitsinjo, ity aretina “coronavirus” ity, koa rehefa mahita teratany vahiny dia lasa miteraka savorovoron-tsaina tsy fidiny, indrindra fa any amin’ny faritra.

Vous aimerez aussi