Miteraka resabe eny anivon’ny fiaraha-monina ny momba ny fitsanganan’ilay komity Loharano nambaran’ny filohampirenena, fa hanara-maso ny fizarana fanampiana ho an’ireo olona tokony hisitrika izany avy amin’ny fitondram-panjakana ity komity ity. Ankoatra izay, tsy mazava amin’ny vahoaka ihany koa ny tena anjara asa sahaniny. Manoloana izany, dia nitondra fanazavana momba ny andraikitry ny komity Loaharano ny ministry ny harena an-kibon’ny tany, Fidiniavo Ravokatra, ka nambarany fa hiandraikitra ny fanatanterahana ny lamina rehetra momba ny ady amin’ny “coronavirus”amin’izao fotoana izao izy io sy ny lamina momba ny fampandrosoana ny firenena amin’ny fotoana aoriana.
Momba ny ady amin’ny valan’aretina dia natao hitily ny olana ara-pahasalamana eny anivon’ny fiaraha-monina io komity io ary mampita ara-potoana any amin’ny CCO na “Centre de Commandement Opérationnel” ny tranga mampiahiahy.
Mikasika ny lafiny ara-tsosialy dia ny famoahana ny lisitry ny tokantrano hisitraka ny tohana ara-tsosialy no asa sahaniny, miandraikitra ny rindran-damina ankapobeny amin’ny fizaràna izany ary manerana ny faritra. Amin’izao dingana fanombohana izao, dia ireo Faritra 3 mampihatra ny fepetra fihibohana no hanombohana azy.
Tahaka izao kosa ireo manana andraikitra ao anatin’ny rafitra izay ahitana, depiote, ny lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanàna izay miara-miasa amin’ny sefo Fokontany amin’ny fananganana ny rafitra (ndlr : tsy manendry, fa manara-maso na manao Supervision). Mpikambana 6 no mandrafitra ny Komity Loharano fara-fahabetsany. Raha misy sehatra tsy ananan’ny Secteur/Fokontany iray solontena, dia ireo solontena nampiarahina sy/na ireo no afaka mifameno.


