Ny mpianatra teny Ankatso no nozarain’ny ministry ny serasera arovava. Ny filohampirenena Andry Rajoelina nanohana ara-tsakafo tamin’ny fanampiana ny mpanao gazety izay nanao ny asany amin’izao “Etat d’Urgence Sanitaire” izao, ka ny governoran’ny faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka no nisolotena ny filohampirenena tamin’ny fizarana ireo vary, menaka, savony, siramamy ireo, ny zomà lasa teo. Ankoatra izay dia maro amin’ireo mpanakanto ihany koa no mitaraina fa voa mafy ny fitadiavany ao anatin’izao fihibohana vokatry ny fiarovan-tena amin’ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID 19 izao, ka nangataka fanampiana ihany koa izy ireo. Raha ny zavatra hita ny sabotsy lasa teo anefa, dia toa tany amin’ireo mpianatry ny oniversite eny Ankatso indray, ohatra, no naha maika ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera nanaterana arovava. Manome fanampiana ho an’ny mpanao gazety ny filohampirenena Malagasy, ka ny governoran’ny faritra no nitsinjara izany, fa tsy hita tabilao ny minisitra mpiahy. Ny resaka arovava ho an’ny mpanao gazety indray, dia ny fiadidiana ny Repoblika no tonga nizara izany ho an’ny mpanao gazety. Maro anefa ny mpanao gazety tena sahirana. Ny artista indray dia foana daholo ny fifanarahana rehetra efa vita 2 volana mialoha, kanefa ny fetin’ny Paska tahaka izao no tena fitadiavan’izy ireo hatramin’izay, hoy izy ireo. Mbola tsy hita tabilao ihany koa ny ministra mpiahy. Mampiheritreritra !


