PETITE VITESSE : Ireo mpatory an-tsena no mpanendaka, hoy ny lehiben’ny tsena

Misy sasany amin’ireo mpatory an-tsena ao amin’ny tsenan’i Petite Vitesse no mpanendaka, hoy ny lehiben’ny tsena ao an-toerana, atoa Lovaniaina Stéphan. Araka ny fanazavany, dia maro amin’izy ireo no tsy manana trano fialofana ka eny amin’ny tsenan’i Petite Vitesse izy ireo no manori-ponenana. Noraofin’ny polisy sy ny polisin’ny tsena ary ny lehiben’ny tsena izy ireo ary tsy navela niverina eny an-toerana intsony. Manaratsy endrika ny tanàna sy ny tsena ny fahamaroan’izy ireo, ka nandraisana izao fepetra izao, hoy ny fanazavana. Mangataka amin’ny mpitondra fanjakana ity tompon’andraikitry ny tsena ity, mba hijery ny toerana hametrahana ireny tsy manankialofana ireny, fa manaratsy endriky ny vavahadin’ny Renivohitra izy ireny, hoy izy. Ankoatra izay dia sarotiny amin’ny fampanajana ireo hamehana ara-pahasalamana ny lehiben’ny tsena. Ireo mpajifa dia tsy maintsy manao arovava sy orona. Toa izay koa ireo mpivarotra ary manaja ny elanelana ary mampiasa « Gel Désinfectant ». Maro tamin’ireo mpajifa tao an-tsena moa no tratra tsy nanao arovava sy orona, ka nasaina nanadio ny tsena sy namafa ny tsena. Manondraka fanafody sy manadio ny tsena isa tapa-bolana ny tompon’andrikitry ny tsena, ka iarahany amin’ny BMH ny fanadiovana izany. Hentitra ny lehiben’ny tsena amin’ny fanarahana ireo fepetra isan-kerinandro, indrindra fa ny fihibohana ny faran’ny herinandro. Marihana, fa mahatratra 1 300 ireo mpivarotra ara-dalana ao amin’ny tsenan’i Petite Vitesse. Tsara ny manamarika, fa ny tsenan’i Petite Vitesse dia eo Tsaralalana sy Cotona ary Tana Plaza Cotona.

Vous aimerez aussi