Ny tetikasa Miaro dia vatsian’ny Eoropeana vola amin’ny alalan’ny « Eco » izay tanterahin’ny « Care international » sy ny « Réalité Fusion ». Miara miasa amin’ny BNGRC sy ny BCM ihany koa ny tetikasa Miaro. Manana vina ny tetikasa, izay tetikasa hanamafisana ny rafitra isaky ny ambarantongany. Nanolotra fitaovana maro toa ny « Gél désinfectant », savony, vary amin’ny gony, « Eau de Javel », gazoala 200 litatra ary « indemnité » ho an’ny mpampiofana ny tetika Miaro. Ho fanamafisana ny fiomanana amin’ny fiatrehana ny loza voanjanahary, indrindra fa ny ady amin’ny valanaretina covid19, izany hoe ho fanalefahana ny loza mety hihatra ho an’ny faritra, ny kaominina, ny distrika ary ny fokontany dia nanolotra ireo fitaovana ireo ho an’ny CRCO Betsiboka ny tetikasa Miaro. Nanomboka tamin’ny volana Aogositra 2019 ny tetikasa Miaro no nirotsaka tao amin’ny faritra Betsiboka, izay noraisina tao anatina distrika anankiroa dia ny distrikan’i Maevantanana sy ny distrikan’Ambatoboeny. Nambaran’ny tompon’andraikitry ny tetikasa Miaro, fa mifarana amin’ny volana Jiona 2021 ny tetikasa. « Gel désinfectant », savony, vary amin’ny gony, « Eau de Javel », solika 200 litatra ary « indemnite » ho an’ny « informateur » no natolotra ny tetikasa ny alakamisy teo. Ny CRCO Maevatanana izay tarihan’ny Prefe, atoa Bazezy Vanombe Clavelah, no nandray ireo fitaovana avy tamin’ny tetikasa Miaro ireo. Nilaza izy fa ny CRCO Betsiboka no mandrindra sy mandamina ny fizarana ireo fitaovana ireo any amin’ny distrika sy ny toerana tokony hahazo izany. Ilaina ny fanaraha-maso sy fiaraha-mientan’ny mponina, ka ny fisian’ireo fitaovana ireo dia zava-dehibe ho an’ny mponina Betsiboka ary nisaotra ny tetikasa Miaro, ny Prefe Maevatanana. Ampiasaina amin’ny tokony ilaina azy ireo fitaovana ireo ary hisy ny fanaraha-maso, indrindra fa ny solika izay entina manatanteraka ny asa any amin’ny distrikan’i Maevatanana sy Tsaratanana ary Kandreho. Handrindra ireo fitaovana ireo hiaraka amin’ireo tompon’andraikitra ao amin’ny faritra ny Prefe, izay miaraka amin’ny « Entité » hafa toa ny kaominina, ny distrika ary ny fokontany.


