BORIBORINTANY FAHAROA : Nofoanana ny mariazy sabotsy

Momban’ny fanapa-kevitra noraisin’ny filoha mahakasiaka ny fihibohana tanteraka eto an-drenivohitra ny Asabotsy sy ny Alahady dia raha ho an’ny eo anivon’ny boriborintany faharoa, dia nilaza ny delege, atoa Rabemananjara Charmant, fa miato aloha hatreto ny fanaovana mariazy na ny fandraisana ny mariazy rehetra ny Asabotsy. Ho an’ny Asabotsy teo dia efa niato ny fandraisana izany, fa misy kosa ny « service minimum » izay niandraikitra ny « acte délai » ny Asabotsy. Momban’ny mariazy kosa dia mampanao ihany ny boriborintany faharoa ny Alakamisy, fa ny Asabotsy dia nofoanana. Misy ny efa nanao ny famandrihana fotoana ny Asabotsy teo, 10 teo izy ireo ary nisy ny fifampiresahana manonkana tamin’ireo mpanambady izay tokony hatao mariazy ny Asabotsy. Nisy tamin’izy ireo no natao ny Alakamisy teo, nisy ihany koa anefa ny nanapa-kevitra, fa aleo ahemotra amin’ny fotoana izay mahampety azy. Ny telo tamin’izy ireo ihany no natao tamin’ny Alakamisy teo, fa ny fito ambiny kosa hatao amin’ny fotoana manaraka. Noferana ho 15 ny isan’ny mpanotrona ny mariazy. Ny antony dia mba hanaja ireo fepetra ara-pahasalamana sy mba tsy hisian’ny fifampikasoana be loatra. Mbola tsy mitsahatra manentana ny olona hanaja hatrany ireo « gestes barrières » ny delege, ary hampiasa ny arovava sy orona araka ny tokony ho izy. Hanasa tanana matetika amin’ny rano sy ny savony satria, ity ady amin’ny valan’aretina ity dia tsy hoe ady ho any fitondram-panjakana ihany, fa ady iarahana ny olon-drehetra ary tokony samy handray andraikitra ny tsirairay amin’izay ady izay ary tsy ankinina amin’ny fitondram-panjakana irery ihany ny fiadiana io aretina io ary mba samy handray an-tanana isika mba ahafahantsika miala haingana amin’izay hamehana ara-pahasalamana izay sy ity valan’aretina ity izay tena mandripaka olona maro ity.

Noferana 10

Ho an’ny boriborintany fahatelo manokana indray, dia nilaza ny delege atoa Ramiandrisoa Lalaina, fa ho fanamafisana ny fepetra napetraky ny fitondram-panjakana dia noferana ho 10 ny isan’ireo olona manatrika ny mariazy ao amin’ny boriborintany fahatelo. Ankoatra izay dia misy ny fandaminana vaovao napetraky ny delege amin’ny fomba fandraisana olona amin’ity herinandro ity. Ferana ny isan’ny olona miditra ao amin’ny boriborintany fahatelo. Voalazan’ny delege, fa mifandimby ary manao andiany ireo olona miditra ny birao, mba ho fisorohana sy fitsinjovana ny hamehana ara-pahasalamana. Mitohy ny fanondrahana fanafody ao amin’ny boriborintany fahatelo.

Vous aimerez aussi