KAOMININA AMBOHIDRATRIMO : Tondrahana fanafody indroa isan-kerinandro ny tsena

Indroa isan-kerinandro dia ny alarobia sy ny sabotsy no famendrahana fanafody ao amin’ny tsenan’Ambohidratrimo, raha ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny kaominina Ambohidratrimo, ramatoa Razanaparany Miadantsoa Noro Haja. Voalazany, fa isaky talata sy ny zoma ny tsena ao amin’ny kaominina, aorian’izay ny fanondrahana fanafody, mba hisorohana ny tsy hiparitahan’ny valanaretina no antony. Ankoatra ny famendrahana ny tsena dia ezahin’ny kaominina ihany koa asiana fanafody ny biraom-panjakana rehetra ao an-toerana, fa ny folakandro indray no hanaovana izany rehefa mirava ny mpiasa. Nambaran’ny sekretera jeneralin’ny kaominina, fa raha misy tsena hafa ka mangataka ny hanondrahana fanafody dia manatanteraka izany izy ireo. Ankoatra izay, dia hentitra ihany koa ny fampanarahana ny fepetra ara-pahasalamana hataon’ny kaominina, izay miara-miasa amin’ny zandary ao Ambohidratrimo. Misy ny hetsika ataon’izy ireo amin’ny arovava sy orona. Andraisana fepetra ireo izay tratra tsy manao arotava ary asaina mamafa lalana. Ny eo anivon’ny kaominina dia miezaka hatrany manentana ny vahoaka ao aminy, mba hanaja ny fepetra ara-pahasalamana. Ankoatra izay, dia isaky ny alakamisy sy ny zomà no hanaovana ny mariazy ary noferana ho 50 ny isan’ny mpanatrika, hoy ny ramatoa sekretera jeneralin’ny kaominina. Lazaina mialoha izy ireo na ovaina ny daty hanaovana ny mariazy raha hatao sabotsy ny fisoratan’izy ireo, dia na haroso na ahemotra. Tsy misy ny “service minimum” ho an’ny kaominina Ambohidratrimo. Mikasika ireo fotondrafitrasa indray dia efa mandeha ary ho vita tsy ho ela ny lalan-kely ao amin’ny fokontany Ambohitsiroa sy Soamahamety. Hametraka jiro ao amin’ny fokontany 3 tsy mbola misy izany ny kaominina, hoy ny fanazavana.

Vous aimerez aussi