Niharan’ny haintrano ny « pavillon » vaovao iray mitondra ny laharana E-46, etsy amin’ny « esplanade » Analakely, io maraina io, tokony ho tamin’ny 10 ora.
Avy amin’ny herinaratra (na court-circuit) no fototry ny loza. Ary tao amin’ny efitra ambony no nitrangan’izany.
Noho izany, tsy nisy loatra ny fahavoazana nihatra tamin’ity mpivarotra haingo ity satria tsy niitatra tao ambany, izay tena misy ny entam-barotra ny afo.
Tonga ara-potoana ihany koa ny Vondron’ny Mpamono afo ka voafehy ny loza.
Na izany aza, ilaina hatrany ny fahamailona amin’ity resaka afo ity satria mifanakaiky loatra ireo « pavillons » eo an-toerana ka mety hitera-doza mavesatra raha sanatria misy ny fitaran’izany. Entam-barotra tian’ny afo ihany koa ny ankamaroan’ny amidin’ny mpivarotra eo, toy ny lamba, fitaovana vita amin’ny plastika, …ka efa anisan’ny fitandremana ny tsy fahandroana sakafo ao an-trano.


