Tsy ny Fitondrana ao anatin’ny 4 taona no hamotika sy hanototra ny tanimbarin’Ambohitrimanjaka ka hamotika ny hoaviny . Hentitra ny fanambaran’ny mponina izany, nandritra ny fihaonana fanaon’izy ireo isaky ny faran’ny herinandro.
Ataovy any an-kafa
Efa nanambara rahateo ny Ben’ny Tanàna sy ny mponina Arivonimamo ny amin’ny mahamety ity tetikasa ity any aminy. Koa maninona no tsy atao any, hoy ny solontenan’ny mponina, Eric Andrianaivo.
Nanitrikitrika ity farany nametra-panontaniana hoe : tsy maintsy ny lemak’i Betsimitatatra ve no hototofana vao Tanà Masoandro no anarany ? Tsy mety ve raha any an-toeran-kafa sa hiova anarana ‘lay Tanà Masoandro ?
Ny mampalahelo, hoy ihany ireo mponina dia tsy mandraharaha azy ireo ny Fitondram-panjakana fa ny ataon’izy ireo ihany no ataony.
Fandranitana
Koa nampahatsiahivin’izy ireo fa ny vahoaka no naha-Mpitondra sy naha-tompon’ny fahefana azy. Koa raha ekena ho ny vahoaka no masi-mandidy dia aoka hajanona ny tetikasa fa lasa fandranitana ny vahoaka fotsiny ihany ka mety ho lasa zavatra hafa.
Saingy manam-pahendrena ny vahoakan’Ambohitrimanjaka, hoy izy ireo ka tsy ho azon’ny fandrika velively. Ary n’inon’inona mitranga dia hotazomina hatrany ny fahamasinan’ny tanindrazana amin’ny tsy fanekena ny hanotofana an’io.
Nomarihin’izy ireo moa fa misy amin’ireo mpitarika ity hetsika ity no nahazo taratasy mirakitra fandrahonana avy amin’olon-tsy fantatra, amin’ny tokony hampitsaharana io hetsika fanoherana io.


