Maro ireo sendikan’ny mpampianatra no efa nangataka fa tokony olona mahay mitazona katsaoka na “la craie” sy mpampianatra no hitazona ny toeran’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena, fa tsy hatao andrakandrana ny olona apetraka amin’izany toerana izany. Olona mahalala ny tontolon’ny fanabeazana ary mahay mamaha ny olana no tokony hipetraka na hotendrena amin’io toeran’ny ministra io. Niantefa tany amin’i Paul Rabary, izay efa nitana io ministeran’ny fanabeazam-pirenena io ny antso nataon’ireo mpampianatra sy ny ray aman-dreny. Nilaza ny heviny moa ingahy Paul Rabary ary nanambara, fa fony izy nitana io andraikitra io dia betsaka ny zavatra vitany sy azo tsapai-tanana ary maro ny olona no nahita ny zavatra vitany tao amin’io ministera io, mpampianatra rahateo ny tenako, hoy izy. Nisy lova napetrany ihany koa tao amin’io ministeran’ny fanabeazam-pirenena io, hoy izy. Araka ny fanazavany, dia ilay foto-pisainana mihitsy no tokony hovana, hoy izy, raha hitana izany toeran’ny ministra izany, hoy hatrany ny fanazavany. Maro ireo manampahaizana, teknisianina, ka tokony ireny no antsoina hitana izany andraikitra izany. Enga anie ka hahita olona hahavita hitana izany ministera izany, ny filohampirenena, hoy izy, satria mbola maro ihany koa ireo andraikitra izay mbola miandry ahy, hoy hatrany ny nambarany.


