ONG DIRECTAID : Nanolotra arovava sy orona miisa 10.000 ho an’ireo olona marefo tsy mahavidy izany

Araky ny antso avo nataon’ny lehiben’ny faritra Boeny mpisolotoerana, Atoa Bazezy Vanombe Clavelah, tamin’ireo hery velona rehetra tao anatin’ny faritra Boeny, hanao soroka miara-milanja ary tongotra miara-mamindra eo amin’ny ady amin’ny tsy hiparitahan’ny valan’aretina Covid-19 ao anatin’ny faritra Boeny dia tonga namaly izany antsoizany ny “ONG Directaid” ka nanolotra arovava sy orona miisa 10 000 ho an’ny mponina marefo ao amin’ny faritra Boeny. Apetraka eo anivon’ny “CCO COVID-19” Boeny ny fotoana sy ny toerana ary ny fomba hizarana maimaimpona an’ireo arovava sy orona ireo. Marihana fa mbola manentana hatrany ny lehiben’ny faritra Boeny amin’ireo mahalala-tànana sy fikambanana maro samy hafa hanohy hatrany ny hetsika tahaka izao, mba hisorohana haingana an’ity aretina Covid19ity, hoy ny fanazavana voaray.

Vous aimerez aussi