NOHO NY CORONAVIRUS : Nakatona ho an’i Eoropa ny sisintany

Nakatona mandritra ny 30 andro amin’ireo fiaramanidina avy any Eoropa (Italia, Frantsa, Alemana,..) ny sisintanin’i Madagasikara nanomboka ny sabotsy lasa teo.

Toy izany koa ny amin’ireo sidina avy  atsy amin’ny Nosy La Réuion sy Mayotte.

Ireo firenena sy Nosy ireo dia efa samy ahitana ny valanaretina Coronavirus avokoa, ka izay vao nandray fepetra mikasika izany ny Fitondram-panjakana malagasy mba hiarovana ny mponina eto aminy.

Eny Ivato ihany no miantsona

Raràna tahaka izany koa ny fidiran’ireo sambo mpitondra mpizahantany rehetra.

Nandraisana fepetra ihany  anefa ireo sidina hafa avy any ivelany, ka tsy azon’izy ireo hatao ny miantsona afa-tsy eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ahazoana manao ny fanaraha-maso amin’ny mpandeha nentiny.

Tsy hisy, noho izany, ny fandraisana fiaramanidina eny amin’ny seranam-paritany samihafa.

Ho an’ireo mpiray tanindrazana mamita iraka sy mitsabo tena any ivelany kosa dia omena hatramin’ny alakamisy ho avy izao izy ireo hodiany eto an-tanindrazana.

Arahi-maso ny varotra

Manoloana izao fepetra izao dia ho hentitra ny tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny mpivarotra amin’izay  mety ho fanararaotana hitranga.

Voalaza manko fa ampy tsara ny tahiry ho an’i Madagasikara ary mbola mitohy hatrany  ny fifanakalozana eo amin’ny sehatry ny varotra  na eo aza ny fepetra noraisina.

Koa manentana ny vahoaka ny Fitondrana mba  hanaraka ny fepetra napetraky ny Fitondrana, satria miara-miasa akaiky amin’i Madagasikara rahateo ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana ( na ny OMS).

Vidim-bary

Na tsy ampy herinandro akory aza ny fepetra noraisin’ny Fitondrana dia efa tsapa mialoha izao fa efa hatry ny ela no mikaikaika ny vahoaka amin’ny fisondrotry ny vidim-bary sy ny entana samihafa, toy ny menaka, eny amin’ny tsena samihafa eny.

Raha sanatria tonga eto tokoa ity valanareti-mandoza ity, firy amin’ny vahoaka moa no afaka hanao tahirin-tsakafo ilainy andavanandro ?

Tena ara-bakiteny amin’ny maro anefa amin’izao fotoana ny hoe : ny hohanina anio tadiavina anio !

Vous aimerez aussi