KAOMININA ITAOSY : Miroso ny asa fampandrosoana

« Lanja miakatra ny fampandrosoana », io no teny filamatra nofinidin’ny avy eo anivon’ny kaominina Itaosy,tarihan’ny ben’ny tanàna Randrianarisoa Jean Richard. Ny kaominina Itaosy dia manana mponina 27 497, mipariaka anatin’ny fokontany miisa enina. Ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana no mibahan-toerana amin’ny asa fiveloman’ny mponina.

Fomba fiasa mifaka amin’ny alalan’ny fanabeazana ny Olompirenena hahay handray andraikitra sy ahatsiaro tena ho tompon’ny fananana iombonana. Io raha atao bango tokana ny paikady entin’ny kaominina manatontosa ny asa fampandrosoana izay ataony. Anisan’ny olana sedrain’ny kaominina ny tsy fananana tany ahafahana manorina ireo foto-drafitrasa. Tsy natao sakana anefa izany fa efa misy ny vahaolana ahafahana miatrika izany toy ny fifampidinihana amin’ny sehatra tsy miankina sy ireo tsara sitrapo.

Maro no vita, mbola be no miandry

Maro ireo asa fampandrosoana efa tontosa sy andalam-panatanterahana eny amin’ny kaominina Itaosy. Ampahany amin’ireny ny nametrahana ireo « bornes fontaines » eny amin’ireo fokontany enina ho antoka amin’ny fananan’ny mponina rano fisotro madio sy ara-pahasalamana. Eo amin’ny sehatry ny fampandriana fahalemana kosa, misy ireo jiro andalambe mandeha amin’ny alalan’ny herin’ny masoandro. Mijoro eny an-toerana ihany koa ny tobi-pahasalamana eo ambany fiahian’ny kaominina « Centre de santé communale », najoro mba ahafahan’ireo sokajin’olona tena sahirana mitsabo tena. Misy ao amin’ity tobim-pitsaboana ity ihany koa ny fizarana fahalalana momba ny fikajiana ny fahasalamana.

Eo amin’ny sehatry ny fambolena sy fiompiana, misy hatrany ny fanamorana ny fahazoan’ireo tantsaha ny masomboly, ny fanolorana fiofanana sy fizarana traikefa eo amin’izy ireo sy ny manam-pahaizana momba ny asa ambanivohitra. Manana ivon-toerana ara-kolontsaina izay sehatra goavana iray ahafahan’ireo tanora mifanakalo hevitra ho amin’ny fanatsarana ny fiainan’ny tsirairay ary koa ho fampitiavana azy ireo indray ny kolontsaina sy ny soatoavina tovozina anatin’ireo kilalao fahiny. Tsy ho ela dia hotazana ao amin’ity ivon-toerana ara-kolontsaina ity ny filalaovana ny katro, ny fanorona. Manatanteraka famakiam-boky mitety vohitra ihany koa ny Kaominina Itaosy ho fampiroboroboana ny seha-panabeazana. Mitohy ihany koa ny fanorenana sekoly toy ny ao amin’ny fokontany Avarabohitra izay anorenana EPP vaovao. Maro tamin’ireo sekoly eny an-toerana no nasiam-panavaozana.

Manome lanja manokana ny fikajiana ny tontolo iainana amin’ny alalan’ny fanabeazana ny isam-batan’olona hikajy ny fahadiovana sy havitrika amin’ny asa fambolen-kazo isan-tokantrano ihany koa ny kaominina Itaosy.

Na eo aza ireo rehetra ireo, manao antso avo ho an’ny fanjakana foibe ny avy eo anivon’ny kaominina Itaosy ho amin’ny asa fanamboarana maika ny ampahan-dalana miainga eo an-tampon’ny Behenjy mipaka hatrany Andohatanjona, mirefy 03 km eo ho eo . Eo ihany koa ny lalana eo an-tampon’Itaosy mihazo ny hopitaly.

Raha fintinina, manome lanja manokana ny fanabeazana ho Olompirenena vanona sy mahay mandray andraikitra ny eo anivon’ny kaominina Itaosy mba ho fanamorana ny fanatanterahana ny fampandrosoana. Ny Olona tokoa mantsy no harena fa tsy ny fotodrafitrasa raitra sy manara-penitra loatra akory.

Vous aimerez aussi