HENTITRA NY FIDIRANA ENY IVATO : Mpandeha 5 no niverin-dàlana

Mpandeha 5 tamin’ireo 200 no nanapa-kevitra ny hiverin-dàlana noho ny tsy fanekena ny fepetra mihatra eto amin’ny firenena Malagasy.

Omaly alina no nitrangan’izany teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, raha nigadona teny an-toerana ny sidina AF934 avy any Eoropa.

Ho an’ireo mpandeha nikasa ho any amin’ny Faritany dia tsy maintsy arahi-maso mandritra ny 14 andro eto Antananarivo izy ireo. Ny mpandeha tsy te-hanaraka izany fepetra izany dia afaka miverina any Roissy avy hatrany amin’io sidina io ihany.

Koa 5 tamin’ireo mpandeha no nisafidy io fiverenana io.

Misy ny taratasy fanekena izay fenoin’ny mpandeha eny am-pahatongavana. Tokony hanao izany avokoa ny mpandeha rehetra tsy misy an-kanavaka, izay ho tonga mialoha ny alakamisy ho avy izao, ho an’ny avy any Eoropa mivantana. Tsy hisy intsony kosa izany, aorian’io, mandritra ny 30 andro.

Hentitra ny fepetra

Hentitra, araka izany, ny fepetra  raisin’ny tompon’andraikitra. Irina ny hitohizan’izany mba tsy ho goragora ny fanapahan-kevitra efa noraisina manoloana ity valanaretina Coronavirus mandripaka ity.

Manana anjara lehibe amin’izany koa anefa ny vahoaka na dia ny fandraisana ny fepetra ara-pahadiovana ihany aza.

Tokony hanomboka amin’ny tompon’andraikitra ambony koa anefa izany. Hita ho tsinontsinoavina indray manko ny fandraofana fako eny an-dàlambe rehetra eny tao ho ao.

Vous aimerez aussi