FIDELE RAZARA PIERRE : Tokony hivoaka ny marina momba ny lisi-pifidianana sy ny karapanondro

Araka ny fanazavana nentin’ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka, Fidèle Razara Pierre, fa tokony havoaka ny marina momba ny lisim-pifidianana sy ny karapanondro mitovy laharana an-tapitrisany izay navoakan’ny filoha lefitry ny Ceni teo aloha Thierry Rakotonarivo ary ireo fifidianana izay nisesy teto amin’ny tany sy ny firenena, hoy ity depiote ity. Nambarany, fa na inona na inona mety ho fanadiovan-tena ataon’ny Ceni sy ireo tompon’andraikitra nikarakara ireny fifidianana ireny dia tokony hamoaka ny marina ireo tompon’andraikitra ireo, mba hisian’ny fahatokisan’ny vahoaka azy ireo amin’ny fifidianana manaraka eo. Araka ny fanazavan’ity solombavambahoaka ity hatrany,  dia tsy mahamaika ny fanesorana ireo mpitondra ankehitriny. Tsy vahaolana ihany koa ny fitaritan’olona an-dalambe, hoy izy. Andriamanitra no manala azy ireo, satria fitondrana azo tamin’ny tsy ara-dalàna io fahefana io, hoy ny fanazavana. Nambarany, fa be loatra ny fampanantenana ataon’izao fitondrana izao, fa ny velirano tsy misy tanteraka na iray aza, fa fanohizana ny raharaham-pirenena sy ny zava-bitan’ny mpitondra HVM teo aloha no notokanan’izao  fitondrana izao, hoy Fidèle Razara Pierre.

Vous aimerez aussi