Raha itodihana ny tantara, ahitana tsena hatrany ny andro rehetra mandrafitra ny herinandro teto Analamanga. Ohatra, ny alatsinainy tsenan’Ambohimanarina, ny talata tsenan’i Besarety, ny alarobia tsenan’Andravoahangy, alakamisy tsenan’i Mahamasina, zoma tsenan’Analakely, sabotsy tsenan’Isotry ary ny alahady tsenan’i Mahazo.
Niova anefa izany taty aoriana noho ny hamafin’ny fiainana. Vokany, saika isanandro no ahitana tsena manerana ireo toerana voatanisa tetsy ambony ireo. Manampy azy ireo ny tsenam-pokontany mipariaka amin’ireo fokontany miisa 192 eto an-drenivohitra. Teraka noho ny fitadiavana ihany koa ny fivarotana mandehandeha, toy ny mpivarotra kojakoja samihafa, lasopy, kiraro tonta, sns.
Nosimbain’ireo krizy politika nifandimby
Nirona tamin’ny sehatry ny fivarotana amoron-dalana noho ny krizy politika ireo very asa teny anivon’ireo orinasa tsotra sy afakaba. Tsy manaraka ny fenitra izy ireny saingy tsy afa manoatra ireo manatanteraka izany. Lasa olana lehibe ho amin’ny fomba hitantanana sy handrindrana ny tanàna anefa ny fisiany. Ny isan’ny mponina rahateo mitombo isanandro, ny fanorenana fotodrafitrasa vaovao toy ny tsena, ny fiantsonan’ny fiara anefa zara raha misy. Tsy sahaza ny isan’ny mponina an-drenivohitra intsony, araka izany, ny fotodrafitrasa mijoro. Raha ny tarehimarika farany voaray, natao ho an’ny mponina miisa 300 000 ny fotodrafitrasa eto Analamanga, efa manafosafo ny 3 000 000 anefa ny isan’ny mponina ankehitriny.
Efa nisy, hoy ny mpivarotra amoron-dalana niresaka fohy taminay ny fanatanterahana ny fanisana azy ireo. Volaza tamin’izany, hoy hatrany izy ireo fa mba ahafahana manatanteraka ny fandaminana vaovao no antony. Indrisy anefa fa tsy nitohy intsony izany noho ny fiovan’ny mpitantana. Ireo mpivarotra amoron-dalana hatrany, araka izany, no mizaka ny tsy eran’ny aina vokatry ny mbola tsy filaminan’ny tontolon’ny tsena mandraka ankehitriny eto an-drenivohitra.
Antoka iray hampisy seha-pihariana mirindra ho an’ireo mpisehatra amin’ny varotra anefa ny fisian’ny tsena milamina sy manaraka ny fenitra. Rahoviana anefa isika vao afaka hanangana izany fa toa variana amin’ny adilahy politika sy ny fifandroritana tsy mitera-bokatsoa ho an’ny valalabemandry ?


