MPIASAN’NY PMU : Mbola tsy nahazo ny zony hatramin’izao, nefa ao anaty fihibohana

Mbola tsy nahazo ny zony hatreto ireo mpiasan’ny PMU eto amintsika na dia efa tamin’ny 27 febroary lasa teo aza no nikatona ity orinasa iray misehatra amin’ny hazakazan-tsoavaly ity. Nanatanteraka fihaonana teny amin’ny foibeny teny Ankorahotra izy ireo nanazava ny zava-misy iainany. Fantatra tamin’izany fa efa nisy ny dingana nataon’izy ireo mba hitakiany ny zony tamin’ny alalan’ny solontenan’ny mpiasa. Efa nifampiraharaha tamin’ny mpitantana ny orinasa ihany koa izy ireo ka ny Ministeran’ny asa sy ny asam-panjakana ary ny lalàna sosialy no nanelanelana tamin’izay. Nisy ny fehin-kevitra nivoaka taorian’izany ka fantatra fa haloa amin’ireo mpiasa ny karamany 10 andro niampy ny tambin-karama maha-mpiasa tranainy azy mandritra ny efa-bolana izay hany zakan’ny ambim-bola eo am-pelatanan’ny orinasa. Toy ny rano nararaka an-damosin’ny gisa fotsiny ihany anefa izany hatreto.

Heno anarana 119 tapitrisa Ariary fotsiny mantsy io ambim-bola io fa tsy mbola nisy nankany tamin’ireo mpiasa na dia iraimbilanja aza. Nambaran’ny mpitantana moa fa anisan’ny olana tsy nahafahana nizara ny vola ny fametraham-pialan’ny mpitantana tamin’ny 7 may lasa teo ary tsy maintsy miandry ny famindram-pitantanana eo amin’ny mpitantana hisolo toerana vonjy maika indray vao azo tanterahina izany. Tsiahivana fa renim-pianakaviana ny 80 % – n’ireo mpiasan’ny PMU. Hatreto dia mbola tsy an’asa ny ankamaroan’izy ireo, tafiditra ao anatin’ny fihibohana rahateo isika koa manao antso avo amin’ny Fanjakana sy ny ministera mpiahy azy izy ireo mba hijery akaiky ny olana sedrainy.

Vous aimerez aussi