TANTSAHA MALAGASY : Adinon’ny filoham-pirenena ?

Ny fananganana foto-drafitrasa sy ny lafiny sosialim-bahoaka toy ny fanohizana ireo endrim-panampiana. Ireo no nivoitra sy nibahana tamin’ny valan-dresaka nifanaovan’ny filoha Andry Rajoelina, tamin’ireo mpanao gazety voafantina, ny alin’ny omaly alahady. Toa adinon’ny filoha ny fisian’ireo tantsaha mandrafitra ny 80 % n’ny Malagasy, izay anaty fahasahiranana lalina ankehitriny.

Misera olana, mila tohana maika ireo tantsaha

Nanantena ny mba hahazo tohana sy fanampiana ireo tantsaha mpiompy sy mpamboly eto Madagasikara manoloana ireo olana sedrain’izy ireo noho ny hamehana ara-pahasalamana mbola iainan’ny Malagasy ankehitriny. Ampahany amin’ireny olana ireny ny fitadiavana ny hoenti-manana hividianana masomboly, ny zezika. Etsy ankilany, mahazo vahana, ny tsifandriampahalemana any ambanivohitra ary anisan’ny lasibatra amin’izany tantsaha.

Anisan’ny olana goavana ho an’ireo mpamokatra mifototra amin’ny famolahana ny tany sy ny seham-piompiana ihany koa ny famoahana ny vokatra izay mananosarotra tanteraka noho ny fisian’ny covid- 19. Vokany, mitotongana isanandro vaky ny vidim-bokatry ny tantsaha. Ny vidin’ireo kojakoja fampiasa amin’ny fambolena sy ny fiompiana anefa miaka-bidy hatrany noho ny fitotongan’ny sandam-bola malagasy.

Hatreto, tsy mbola nisy ny paikady manokana napetraky ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana hiatrehana sy hitsinjovana ireo tantsaha. Maro ireo antso avo sy fanairana efa nataon’ireo tantsaha saingy toa antso anefitra hatrany izy ireny.

Mila handraisana fepetra sy hikaroham-bahaolana fa ireo mpisehatra amin’ny kitro ifaharan’ny fampandrosoana ho an’i Madagasikara mihitsy no miaina anaty krizy lalina. Ahiana mafy, araka izany, ny hisian’ny mosary sy ny tsy fahampian-tsakafo raha mitohy ny tsy fijerena ireo olana mianjady amin’ireo tantsaha ankehitriny.

Vous aimerez aussi