MPIASAN’NY A&C : Nanao fitarainana amin’ny Fanjakana

Nanao fitarainana ka miantso ny Fitondram-panjakana ny solontenan’ny mpiasan’ny hotely A&C, etsy Ivato, io maraina io. Izany dia vokatry ny fahasahiranana mianjady amin’izy ireo taorian’ny fanagiazan’ny Fanjakana ny fananan’ny orinasa, ny zomà lasa teo.

Mpiasa 200

Voalaza nandritra izao fihaonana izao fa maherin’ny 200 ireo mpiasa ao ary mahatratra any amin’ny 1000 any ho any, araka izany, ny olona velomina, miaraka amin’ny vady aman-janany avy.

Manoloana izany dia miangavy ny tompon’andraikitra mba hamela ny orinasa hisokatra, ireo solontenan’ny mpiasa mba ahazoan’ireo mpiasa mamelona ny ankohonany.

Nanteriny fa mandoa hofan-trano sy mampiana-janaka avokoa izy ireo ary mbola mamerina ny volan’ny banky notrosainy avy.

Nandalo krizy

Fantatra araka ny fambaran’ireo solontenan’ny mpiasa ihany fa mandalo krizy ity orinasa ity nanomboka ny taona 2017.

Koa ny vola miditra amin’ny alalan’ny dobo filomanosana ary ny trano fisakafoanana no hany mamelona io orinasa io, ka afahany mandoa ny karaman’ny mpiasa sy ny volan’ny Jirama ary ny pitsopitsony samihafa, amin’ny maha trano fandraisam-bahiny azy.

Zara raha mahatratra 4 hetsy ar isan’andro, hoy ihany ny fanambarana ny vola miditra ka izay no hampiodinana ny orinasa  sy hanomezana ny karaman’ny mpiasa.

Ary raha misy aza ny mikarakara lanonana, hoy ihany ny fanambarana dia ny vola avy amin’ny tompon’ny fety ihany no hividianana ny akora samihafa ilaina amin’izany.

Hetra tsy voaloa

Ny tompon’ny hotely A&C, Claudine Razaimamonjy moa dia misazy any am-ponja, sazy mihatra, noho ny hosoka tamin’ny tsenam-panjakana tany amin’ny kaomina maromaro. Mbola nihodina ary nampidi-bola ihany anefa ity orinasany ity. Saingy noho ny hetra tsy voaloa tamin’izany no nahatonga ny Fanjakana nanao izao fanagiazana ny fananan’ny orinasa izao, ka nahatonga ireo mpiasa ho very asa ka manao izao fitarainana izao.

Vous aimerez aussi