FITAKIANA NY NOSY MANODIDINA : Mila hamafisina aloha ny paikady, hoy ny KMF/Cnoe

Mila hamafisina aloha ny paikady mba hampirindra ny fahazoana ireo Nosy ireo . Ilaina kosa anefa ny fanokafana ny dinika samy malagasy ary tokony halavirina ny fiandaniana sy ny fitanilana, hoy ny avy amin’ny KMF/Cnoe, Andriamalazaray Ando.

Hatramin’ny nandaozan’ny Minisitra frantsay antsika, izay nanao fitsidihana teto manko dia somary nangina indray ny mikasika ny fitakiana ireo Nosy ireo. Ilaina anefa ny fandinihana lalina ny momba izany raha toa ka ho takiana ihany.

Mila ny rehetra

Raha samy mandray anjara amin’ny fitakiana izany manko ny rehetra dia tsy hisy ny korontana amin’izay mety ho vokatry ny fitakiana hatao, hoy hatrany ity Filohan’ny KMF/Cnoe ity.
Nambarany fa ny KMF/Cnoe dia miara-dàlana amin’ny rehetra, na ny mpiaraka amin’ny Fitondrana na ny Mpanohitra ny Fitondrana, amin’ny ady hatao amin’ny ahazoana ireo Nosy malagasy ireo.

Nanteriny ho paikady amin’izany ny fitandroana hatrany ny fitiavana ny firenena. Koa miombom-peo amin’ireo olona rehetra mivoy izany ity fikambanana ity ary mankahery azy ireo.
Ilaina hatrany ny fifampidinihana, hoy izy, na Nosy malagasy na tsia no takiana.

Ny KMF/Cnoe moa dia manabe ny olom-pirenena ary fikambanana  nametraka voalohany ny sehatra fifampidinihana satria ny fifanakalozana no mamaha olana maro.

Vous aimerez aussi