Za klin, mpanakanto vao misandratra, zanaky Sofia. Maro ireo mpanantalenta manana ny maha izy azy eo amin’ny mozika no nanovozany ny traikefany. Singanina amin’ireny ny Grand maître Tianjama, Jean Rigo, Sisca, Jean Aimé de Bemaharivo, sns. Mirona amin’ny fivoizana ny gadon-kira mihetsika toy ny salegy, reggae, zouk love, sns i Za klin ankehitriny. Ny filalaovana ny « afro beat » kosa no ahafantarana azy bebe kokoa ao anatin’ny habaky ny kanto an-kira.
Manana fanomezam-pahasoavana, sarotiny amin’ny fanajariana tononkira
Anisan’ny mampiavaka an’i Za klin ny fahafehezany ny feo farany ambany sy ambony. Fanomezam-pahasoavana avy amin’Andriamanitra izany, hoy ny tovolahy ary hisaorako azy mandrakariva. Nahafahany nampivelatra ny fampiasana izany rahateo ny fifampikasohana natevina teo aminy sy ireo mpanakanto efa voky traikefa sy henika haizatra voatanisa tetsy aloha.
Tsy mba anisan’ireo manaonao foana amin’ny famoronana tononkira i Za klin, fa mirakitra hafatra mafonja miaro fananarana mandrakariva ny taokanto jariany. Havanana amin’ny fandrindrana hira ihany koa ny tovolahy. Ireo trangam-piaraha-monina miseho etsy sy eroa no akora fototra entiny mamokatra ireo sangan’asany. Vokakanto noketrehany ny fampiarahana ny afro beat sy ny salegy.
Ampahany amin’ireo hira netin’ny tarika nambaboana ireo mpankafy azy ilay vazo efa vita rindran-tsary « Aminao amaranako izy ». Vazo voarindra amin’ny gadona « afro beat ». Anatin’izao fihibohana izao i Za klin no miketrika fatratra ny kapila mangirana laharana voalohany sy ny fanamasahana bebe kokoa hatrany ireo sangan’asa vaovao. Misokatra malalaka amin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpanakanto tsy ankanakavaka izy ho fanabeazam-boho hatrany ny kanto malagasy.


