DISTRIKAN'I BETAFO : Mitotongana ny vidin’ny ronono, miantso vonjy ireo tantsaha

Faritra mpamokatra ronono betsaka sady tsara kalitao ny ao amin’ny distrikan’i Betafo. Ankehitriny, noho ny fihibohana, mitotongana hatrany amin’ny 700 Ar ny 01 litatra amin’ny ronono velona. Vitsy amin’ireo mpividy hany mba tonga eny ampotony ankehitriny no mahasahy mividy ny ronono 01 litatra amin’ny vidiny 1 000 Ar, hoy ny solontenan’ny mpiompy omby vavy be ronono nitafa fohy taminay.

Maty antoka, miantso vonjy

Manoloana izany, maty antoka tanteraka ireo misehatra amin’ny famokarana ronono. Manao antso avo ho an’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana sy ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra izy ireo mba hijery maika ny paikady ho enti-manampy azy ireo ahafahana misedra ny olana goavana.

Ny fikatonan’ireo orinasa sasantsasany mpanodina ny vokatra ronono ao amin’ny faritra Vakinakaratra noho ny fihisatry ny varotra ataon’izy ireo no mahatonga ny vokatra ronono ao amin’ny ditrikan’i Betafo tsy hisy mpandray tahaka izao, hoy hatrany ireo mpiompy omby vavy be ronono. Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa ny ampahany betsaka amin’ny vokatra ronono ao Betafo ankehitriny no voatery ariana fotsiny noho izy tsy lany laniana ao an-toerana. Mizaka ny tsy eran’ny aina tokoa ireo tantsaha mpamokatra ronono any Betafo.

Vous aimerez aussi