Manga ny lanitra eo amin’ny fiaraha-miasan’ny kaominina Ambohimangakely sy ny kaominin’Antananarivo renivohitra. Ampahany amin’ny vokatr’izany ny hanampian’ny sampana mpamonjy voina izay rantsana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra ny kaominina Ambohimangakely amin’ny fanadiovana ny Tanàna.
Nosantarina ny sabotsy teo ny asa fanadiovana. Nanombohana izany ny teny Mahazo ary nipaka hatrany Ambohimahitsy. Nanamarika ny ben’ny tanànan’Ambohimangakely Radafy Thierry « Bota » fa ho indray mandeha isam-bolana no hanatanterahana ny asa fanadiovana miaraka amin’ny sampana mpamonjy voina avy eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra. Noho ny fahitana fa maloto loatra ny tanàna, hatao indroa isam-bolana izany amin’izao fanombohana izao.
Hetsika tafiditra amin’ny fiadiana amin’ny valanaretina coronavirus sy ho fanatanterahana ilay teny filamatry ny ben’ny tanàna hoe : « Ovaintsika ny tanàna », ao amin’ny kaominina Ambohimangakely ity nosantarina ny sabotsy teo ity. Marihana fa manana mpiara-miombon’antoka tsy miankina amin’ny fanjakana ihany koa ny avy eo anivon’ny kaomina Ambohimangakely amin’ny fitantanana ny fako. Entanina hatrany ireo mponina mipariaka amin’ireo fokontany miisa 18 ao amin’ny kaominina Ambohimangakely mba hikajy hatrany ny lafiny fahadiovana izay manampy betsaka amin’ny fiadiana amin’ny valanaretina samihafa.


