Nanao fanambarana sy antso avo, nandefa taratasy misokatra ho an’ireo tomponandraikitra misahana ny kanto, nanambara ny fahasahiranana lalina ateraky ny tsy fahafahan’izy ireo manatanteraka ny asa fihariany noho ny hamehana ara-pahasalamana ireo mpanakanto sy mpikarakara hetsika ara-kolotsaina…
Hadino ny fisiany ?
Indrisy anefa fa toa antso an’efitra sy nijanona ho resaky ny moana sy marenina ny toe-draharaha, hoy ilay mpanakanto mpanao politika sy mpivazo miteny iray izay. Toa hadinon’ireo tomponandraikitra ny fisian’ireo mpanakanto sy mpiketrika hetsika ara-javakanto anatin’izao vanimpotoana manahirana sy sarotra lalovana izao. Sokajin’olona maro anefa no mivelona manodidina ny fikirakirana ny kanto. Ankehitriny, efa betsaka amin’izy ireny no tsy mahita intsony izay harapany sy ahafahana miatrika ny fiainana noho ny fikatsoan’ny asa fivelomana. Malahelo tanteraka ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana fa toa natao toy ny “fitaovana” hikatsahana seza sy fahefana fotsiny izy ireo tao anatin’ny fampielezan-kevitra koa rehefa vita ny ilana azy dia hahifika sy odian-tsy fantatra intsony ny fisiany.
Ao anatin’ny fahasahiranana lalina,no ahitana ny tena namana, hoy ny fomba fiteny malagasy izay. Ankizy nilaozan-tsakaiza tokoa ve izany ireo mpanakanto sy mpiketrika fampisehoana ka milalao vovoka irery ankehitriny anatin’ny fiatrehana ny kirizin’ny covid- 19. Enga anie ka mba tsy ho tanteraka ara-bakiteny izany fa noho ny lafiny fandaminana fotsiny ihany no mbola tsy nahafahan’ireo tomponandraikitra nandray ny adidy manandrify azy toy ny fitondrana fanampiana ireo mpikirakira ny zavakanto eto Madagasikara. Sao ela loatra anefa ka hampieritreritra e !


