MPIVAROTRA AMORON-DALANA : Raikitra ny fanaovana hazalambo azy ireo

Hazalambo mahery vaika no mahazo ireo mpivarotra amoron-dalana ao an-drenivohitra sy ny manodidina, nanomboka, omaly, alatsinainy.

Tsy maintsy noraisina ny fepetra fanalana azy ireo, hoy ny avy eo anivon’ny mpitandro ny filaminana toy ny polisy sy ireo avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna noho izy ireo anisan’ny miteraka ny fitohanan’ny fifamoivoizana izay tsikaritra fa niverina indray tato ho ato. Voatery nandao tamin’alahelo sy an-katezerana ny toerana nivarotany izay saika manamorona ny sisin-dalana, araka izany, ireto farany.

Mitaky vahaolana maharitra

Hetahetan’ireo mpivarotra amoron-dalana ny hanomezana azy ireo toerana malalaka sy voafaritra ahafahana manohy ny asa fihariana izay ataony. “Tsy sitraponay ny hitoko zihatra eny amoron-dalana miaritra ny fanejehana ataon’ireo mpitandro ny filaminana, hoy ity Renim-pianakaviana mpivarotra sendra anay, fa ny fitadiavana mahazaka maniraka ary ny tsinay tsy mba vatsy”. Anatin’ny hamehana ara-pahasalamana, vanimpotoana sarotra amin’ny fanatanterahana ny asa fitadiavam-bola ihany koa ny Malagasy koa rariny sy hitsiny raha toa ka hatao laharam-pahamehana ny fikaroham-bahaolana ho an’ireo mpivarotra amoron-dalana.

Ny mahavariana aloha hatreto, ireo tomponandraikitra nifandimby nitantana an’Iarivo, dia samy niala maina tsy nahatanteraka ireo fampanantenana sy volana an-tenda ny amin’ny hanajariana toeram-pivarotana manara-penitra ahafahan’ireo mpivarotra amoron-dalana manatanteraka ny asa fihariany anatin’ny fahatoniana. Ireto farany izay efa nanambara fa vonona ny hiditra hanatevina ny fianakaviam-ben’ireo mpivarotra manara-dalana sy manaraka ny fenitra amin’ny fandoavana ny haba,ny hetra raha toa ka tontosa soa aman-tsara ny fananganana ilay “tsena manara-penitra” efa nofinofin’izy ireo hatramin’izay.

Ilaina ny hatrany ny fifampidinihana aoa natin’izao fotoana mampisamboaravoara ny fiainan-janak’Olombelona izao mba ahafahana misoroka ny mety ho fifandonana hitarika hatrany amin’ny sakoroka ho sarotra fehezina sy halamina.

Vous aimerez aussi