Tahaka ny atao anjorombala tanteraka ny mpianatra eny anivon’ny sekoly tsi-miankina raha ny fizarana ny tambavy covid-organics na ny CVO no asian-teny.
Tapa-bolana teo ho eo izay no nivoahan’ity tambavy ity ka nanambaran’ny Filoha fa mahazo amin’izany avokoa ny Malagasy tsy misy an-kanavaka, indrindra ireo mpianatra izay efa miverina tsikelikely any an-tsekoly.
Hatramin’izao anefa tsy ny sekolim-panjakana rehetra no efa nahazo izany. Mainka moa fa ireo sekoly tsi-miankina.
Ary na ireo sekolim-panjakana nahazo izany aza dia hita fa indray mandeha tsy miverina ihany no nisotro izany fa tsy manaraka ny daozy tokony ho herinandro akory. Koa asa izay mety ho fiantraikan’izany eo amin’ny fahasalamana.
Manjavozavo be
Tahaka ny laro tsy mbola mazava loatra dia manjavozavo koa ny fitsinjarana ny tambavy. Tsy maharaka ve ny famokarana azy sa misy ny an-tandrevaka amin’ny famatsiana azy ?
Ny vola enti-manana ity tambavy ity moa hatreto dia tsy mbola ahitana mangarahara mihitsy. Eo anefa ny fandefasana azy maimai-poana any amin’ireo firenena afrikana maro, kanefa ny eto an-toerana aza zara fa misotro.


