Notanterahina tao amin’ny distrikan’i Manakara, faritra Vatovavy Fitovinany, ny andro manerantany ho an’ny fizahantany na ny “Journée Mondiale du Tourisme” na JMT. Sambany ho an’ity distrika ity no nampiantrano sy nandray izany, hoy ny tompon’andraikitra no sady mpikarakara ny JMT, atoa Ramanankavana Christian. Hetsika maro samy hafa no hita nandritry ny JMT ny faraparan’ny taona teo. Nisy ny “Election Miss & Mister”, ka tao amin’ny distrikan’i Mananjary no nahazo ny “Miss & Mister JMT 2019”. 30 taona taty aoriana no nandray anjara tamin’io hetsika ho an’ny fizahantany io i Manakara. Nitondra avo ny tontolon’ny fizahantany ity mpikarakara ity ary niady sy nitolona mafy ny hanatontosana izany, tao Manakara izy. Tamin’izay no nampisehoan’ny faritra ny mampalaza ny fizahantany, ny kolontsaina sy ny fomba amam-panaon’ny faritra, ny fampirantiana ny vokatra ara-toekarena. Trano eva 102 no nampiranty ireo vokatra samihafa. Tao amin’ny Lapan’ny tanànan’i Manakara no nanaovana ny andro manerantany ho an’ny fizahantany ary vahiny maro no tonga nankalaza izany. Tsy diso anjara tamin’izany ireo teratany vahiny, zanaky ny faritra avy any andafy, sns. Notokanana ihany koa ny toerana fitsangatsanganana tao Loharano. Ny andro voalohan’ny fanokanana dia nisy ny karnavaly lehibe sy Tam-Tam. Teo ny valandresaka narahina ady hevitra mikasika ny fizahantany. “Tourisme, employ, un meilleur avenir pour tous” no lohahevitra nentina nankalazana ny andro manerantany ho an’ny fizahantany. Tratra ny tanjona ary nampiseho ny maha izy azy ny faritra.
Nisy ny olana nosedraina, hoy Ramanakavana Christian, fa voavahan’ny ministry ny Fizahantany. Teo ny mikasika ny “Canal de Pangalane”, ny “Port”, lamasinina ary nahazo raoplanina koa ny distrika. Hiroborobo noho izany ny sehatry ny fizahantany ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana, hoy ny fanazavany. Vonona ny hanampy eo amin’izay sehatry ny fizahantany izay, ny ofisi-paritra, izay tantanin’atoa Ramanankavana Christian. Marihana, fa nisy ny “bal plage” teny amin’ny tora-pasika, izay nafanain’ny mpanakanto maro, ka nifaly havanja ny vahoakan’i Manakara rehetra tamin’io andro manerantany ho an’ny fizahantany io, hoy hatrany ny mpikarakara.


