LAPAN’NY ANTENIMIERANDOHOLONA : Zandary tsy mitam-piadiana sisa no ao

Zandary vitsy ary tsy manana fitaovam-piadiana sisa no ao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, hoy ny Filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rivo Rakotovao, io maraina io.

Nesorina avokoa moa ny fitaovam-piadiana na ny basy teny anivon’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, na ny tao amin’ny trano fitahirizana (magasin d’armes) na ny teny amin’ireo mpitandro filaminana mpiambina, omaly.

Araka ny fanambarana avy eo anivon’ny Antenimierandoholona dia baiko nomen’ny lehiben’ny Etamazaoro Jeneralin’ny Tafika Malagasy na CEMGAM izao fihetsika izao, ka nalaina daholo ny fitaovam-piadiana rehetra tao amin’ity Andrimpanjakana ity. Voakasik’izany ihany koa ny an’ireo mpiambina manokana ny Filohan’ny Antenimierandoholona Rivo Rakotovao, na ireo mpanaraka azy izany na ireo mpiambina ny trano fonenany.

Mampanahy

Nampanahy ny maro ihany ny toe-java-nisy satria Andrimpanjakanan’ny Repoblika ny Antenimierandoholona, ka misy ny fepetra ara-piarovana voafaritry ny lalàna mifanaraka amin’izany.

Mampametra-panontaniana ny tranga toy izao, hoy hatrany ny mpanara-baovao satria miendrika fanonganana ny lehiben’io Andrimpanjakana io izao toe-javatra mitranga izao.

Tsy takona afenina rahateo ny disadisa misy eo amin’ny Antenimiera roa tonta, indrindra ny fanamafisan’ny antokon’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ho mpanohitra ny Fitondrana.

Fanamarinana

Andaniny anefa dia voalaza fa fanamarinana ny fitaovam-piadiana no hatao amin’izao fotoana izao.

Voalaza ihany koa fa fanamarinana no ataon’ny  CEMGAM noho ny fiparitahan’ny basy eto amintsika.

Anisan’izany ny mbola fitazoman’ ireo manamboninahitra izay efa misotro ronono ireny fitaovam-piadiana ireny. Eo ihany koa ny fanamarinana atao amin’ireo mpitandro filaminana mitana ireny basy ireny.

Araka ny voalaza hatrany dia nanaovana izao fanamarinana izao ihany koa ny teny anivon’ny Prezidansa, ny herinandro lasa iny.

Ary araka ny tokony ho izy dia atao isam-bolana ny fanamarinana tahaka izao.

Fifanojoana

Heverina fa hitondra fanazavana misimisy kokoa momba izao toe-javatra izao ny tompon’andraikitra satria mampanahy ny mpanara-baovao ny raharaha noho ny fifanojoan’ny tsi-fifankahazoana eo amin’ny Antenimierandoholona sy Antenimierampirenena.

Araka ny efa voalaza etsy ambony ihany koa moa dia niroso ho amin’ny fanoherana tanteraka ity Fitondrana ity ny Filohan’ny Antenimierandoholona.

Mampanahy satria basy no lalaovina !Zandary vitsy ary tsy manana fitaovam-piadiana sisa no ao amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, hoy ny Filohan’ity Andrimpanjakana ity, Rivo Rakotovao, io maraina io.

Mampanahy satria basy no lalaovina !

Vous aimerez aussi