Fiarakodia iray mitentina 575 tapitrisa ar, latabatra sy vera ary kojakojan-dakozia miaraka no mitentina 40 tapitrisa ar,….sy fitaovana maro samihafa amin’ny vidiny ambony loatra, ka tsy nisy sahy nividy izany ny olona.
Teny amin’ny tokontanin’ny Fitsarana Anosy no nanatanterahana izany lavanty izany. Entana maro samihafa izay nogiazin’ny Fanjakana, noho ny hetran’ i Claudine Razaimamonjy tsy voaloa nandritra ny 5 taona.
Ny entana tao amin’ny hoteliny etsy Ivato, A&C, araka izany no natao lavanty ho fanonerana izany.
Araka ny voalaza dia mitentina 59 miliara ar any ho any ny hetra tsy naloan’ity orinasa ity ary mahatratra hatrany amin’ny 75 miliara ar izany rehefa miampy ny lamandy.
Noho ireo entana tsy nisy nividy dia noraisin’ny Fandraharahana ny hetra ireo entana ireo.
Marihina moa fa misazy 7 taona, asa an-terivozona, sazy mihatra i Claudine Razaimamonjy, noho ny fanodinkodinam-bolam-panjakana tamin’ny tsenam-panjakana teny anivon’ny kaominina vitsivitsy.


