Fandaniam-bolam-panjakana ihany ity fampiantsoana ny Antenimiera hanao fivoriana tsy ara-potoana ity, hoy ny Solombavambahoaka, Fidèle Razara Pierre.
Raha 150 mahery no isan’ny Solombavambahoaka mivory ao anatin’ny 12 andro dia efa volabe no lany amin’izany.
Tsy fivoriana hiadian-kevitra fa hanaovana fombafombam-pivoriana fotsiny ihany kanefa handaniana izany volabe izany. Manginy fotsiny ny an’ny Antenimierandoholona, hoy ihany izy.
Tsy demokratika
Ilay tsy fisian’ny adihevitra moa dia efa fanapenam-bava nefa aty amin’ny tany voalaza fa mandala ny demokrasia isika.
Ao anatin’ny 08 marsa rahateo ny fotoam-pivoriana kanefa fantatry ny Fanjakana fa manamarika io andro io isika. Ny ankamaroan’ny Solombavambahoaka, araka izany dia miverina any amin’ny Faritra nahavoafidy azy avokoa, mba hankalaza io andro io.
Fivoriana petatoko
Tokony hentina amin’ny tokony ho izy ilay firenena amin’ny maha-tany demokratika antsika fa tsy atao petatoko tahaka izany, indrindra raha avy amin’ny tompon’andraikitra ambony iray eto amin’ny firenena no miteny io fombafomba atao io.
Raha nasiana lanjany ireo lalàna ireo dia tokony ho tany amin’ny fivoriana ara-potoana faharoa no nodinihana, saingy tsy noraharahina ny fisian’ilay izy, hoy hatrany ity Solombavambahoaka ity.
Tambin-karama
Manoloana izany, azo heverina tokoa ve ny hisian’ny Solombavambahoaka tsy handray ny tambin-karamany amin’ity fivoriana tsy ara-potoana ity ? Ankoatra ny politika fitsitsiana ventesin’ny Fitondrana manko dia azo hatao fanampiana ho an’ireo traboina sy sahirana tokoa ny vola lany amin’izany fivoriana izany.


