Ny fiarovana ny tontolo iainana, amin’ny alalan’ny fambolen-kazo no fotoana voalohany hihaonan’ny Club 309 Mada, amin’ity taona ity.
Araka izany dia hanatontosa izany andraikitry ny maha-olom-pirenena izany ny Club, ny alahady 08 marsa ho avy izao. Toerana nofidiana hanatanterahana izany ny eny amin’ny Parc Sisaony Ambatofotsy.
Ankoatra ny fifampiarahabana noho ny nahatrarana ity taona 2020 ity dia io fotoana io ihany koa no handraisana ireo mpikambana vaovao sy hanaovana tatitra mikasika ny fikambanana. Na izany aza dia raisina an-tànandroa hatrany ireo tsy mbola mpikambana fa mpanohana fotsiny, saingy tokony hanaraka ny fandaminana hapetraky ny Club kosa.
Ny fotoana hiaingana, araka izany dia eo amin’ny parking Jumbo Score Tanjombato, amin’ny 8 ora maraina.
Ny Club 309 Mada moa dia miara-dia amin’ny « raiamandreniny », ny Peugeot Madagascar Association (PMA), izay manana ny tarigetrany amin’ny fikoloina ny tontolo iainana. Anisan’izany ny fikojana ny motera tsy handoto ny rivotra, ny tsy fanipazana fako eny rehetra eny,…. Ary anisan’ny zava-dehibe izao fanapahan-kevitra hikoja ny tontolo iainana amin’ny fambolen-kazo izao.



