Mirongatra ny haromontana ao amin’ny distrikan’i Vohipeno, faritra atsimo atsinanana amin’izao fotoana izao. Mirongatra any an-toerana ireo alika romotra, ka maro ireo olona no efa voakaikitra. Nisy mihitsy ny maty vokatr’izany, hoy ny fanazavana voaray. Nisy ny andraikitra noraisin’ny tompon’andraikitra tany an-toerana manoloana io tranga io, ka nanao ny “opération” famonoana alika romotra faobe izy ireo, mba hisorohana ny mety trangan’aretina azo avy amin’ny kaikitra alika. Nanao antso avo tamin’ireo olona voakaikitra ihany koa ny tompon’andraikim-panjakana sy ny mpiasan’ny fahasalamana tany an-toerana mba hanao vakisiny, mba tsy hiparitahan’ny aretina. Entanina noho izany ireo olona ireo mba hanatona ny tobim-pahasalamana hanao izay vakisiny fanefitra amin’ny haromontana izay, hoy hatrany ny fanazavana voaray.


