Ny alarobia teo, dia kopia faobe manodidina ny 250 ka hatramin’ny 300 no vita iray andro ho fanamaivanana ireo mponina sy ny ray aman-dreny ary ireo mpianatra. Miezaka ny manome ny fahafaham-po ny mponina ao aminy ny boriboritany faharoa, izay manana ny teny filamatra hoe “Vahoaka foana no voalohany”. Ankoatra izay, dia ara-dalàna ny fijoroan’ireo tranombarotra kely sy kioska ao amin’ny boriboritany faharoa, ka nangataka jiro tamin’ny kaominina izy ireo. Tsy nisalasala ny teo anivon’ny boriboritany, fa namaly izany, niaraka tamin’ny kaominina. Araka ny fanazavan’ny delege-ny boriboritany faharoa, dia efa nahazo fahazoan-dalana avy tamin’ny kaominina ny fijoroan’ireo tranombarotra ireo ary izao nampidirana jiro izao.
Teo koa ny fanamboarana ny sarona “dalle” miisa telo izay natao rarivato, satria mitera-doza, rehefa avy ny orana. Lalan-kely miisa 13 mandrafitra ny boriboritany faharoa koa no ezahiny ho vitaina, ka mirefy 800 metatra sy 500 metatra ny halavan’ny lalan-kely, hoy ny delege. Eo koa ny fanamboarana ny “baignoire” sy toerana fanasan-damba eny Androndrakely sy Ankatso, izay asiana tafo ny sasany ary nohatsaraina ny hafa ary notafona ny ambiny.
Nanadio sy nanala ny fako manentsina ny “dalle” koa ny boriboritany faharoa, ka “dalle” 6 no nodiovina. Ny roa tamin’ireo, dia 700 metatra sy 500 metatra ny halavany, ny ambiny 40 metatra sy 30 metatra. Tsy asa kely ireo asa atao ireo, hoy ny delege, fa asa lehibe izay napetraky ny kaominina hataon’ny boriboritany faharoa.


