Velona ny sakoroka tao Toamasina tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro teo. Niandoha teny Amborozano izany, araka ny fampitam-baovao. Ny antony : tsy nanaiky ny hihiboka ny olona ka tonga ny Mpitandro filaminana nandroaka azy ireo hiditra any an-trano.
Nandritra izany no nisy tovolahy voalaza ho tsy nanaraka ny fepetra ka noraofan’ny Mpitandro filaminana. Nisy nahatsikaritra izany ka vetivety dia niely ny feo ary nivoaka ny trano daholo indray ny Fokonolona.
Velona teo ny fifandonana. Nitora-bato ny mponina ary nandefa baomba mandatsa-dranomaso kosa ny polisy hanaparitaka azy ireo.
Teny amin’ny faritra Androranga koa anefa dia nisy ny tovolahy hita nitsarara tamin’ny tany, izay voalaza ho voadaroky ny polisy, satria nivoaka nividy fanafody. Nampitombo ny hatezeran’ny olona izany ka nanaovan’ny mponina fanakanan-dàlana sy fandoroana kodiarana.
Nentin’ny Mpitandro filaminana teny amin’ny hopitaly anefa ity tovolahy ity ary rehefa nahatsiaro tena dia tsy nahalala izay andian’olona nidaroka azy, na sivily na miaramila.
Naharitra ora 4 mahery tany ho any moa ny sakoroka nitranga tany an-toerana.
Mangataka ny hametrahan-dRajoelina fialana
Asa na kisendrasendra na fifandrifian-javatra na koa raharaha efa voaomana fa nisy ny fanambarana nataon’ireo milaza fa Fikambanan’ny vondron’ny Raiamandreny ao Toamasina, tamin’ity tolakandro ity ihany.
Ny vontoatin’ny fanambarana moa dia ny fangatahana ny fametraham-pialan-Rajoelina eo amin’ny Fitondrana, ao anatin’ny 72 ora.
Anisan’ny anton’izany ny mikasika ity valanaretina coronavirus ity.


