CORONAVIRUS : 63 ny tranga androany

63 indray no isan’ny olona vaovao mitondra ny tsimokaretina coronavirus, araka ny fanambarana ofisialy tamin’ity anio ity. Tamin’ny fitiliana nataon’ny IPM sy ny CICM, miisa 309 no nahitana azy ireo.

Ny 12 tamin’izy ireo dia any Toamasina, 5 tany Moramanga, 2 Manjakandriana, 1 Vontovorona, 1 Alakamasiy Fenoarivo, 1 Ampanefy, 1 Anosy Avaratra ary ny 14 kosa tetsy amin’ny Hopitaly HJRA Ampefiloha.

908 noho izany ny isan’ireo voan’ity aretina ity teto amintsika.

Miisa 10 kosa ireo sitrana, ka ny 9 teto Antananarivo ary 1 tao Morafeno Toamasina. 195 izany no efa sitrana hatrizay. Noho izany, 707 no isan’ireo mbola tsaboina, ka 9 amin’ireo no manana fahasemporana (8 ao Morafeno ary 1 eto Antananarivo).

Mijanona ho 6 kosa ny isan’ireo maty.

Fitiliana miisa 12 192

Mitontaly 12 192 ny fitiliana vita hatrizay. Mbola vitsy ihany izany raha oharina amin’izao fiparitahan’ny aretina izao. Andrasana fatratra ny hisian’ny laboratoara vaovao, izay tsy tokony hiandry fitokanana makotroka.

Efa misy rahateo ny fanampiana fanaovana fitiliana PCR avy amin’ny koreana, ka tokony hihazakazahana fatratra ny fampitomboana ny fanaovana ny fitiliana.

Vous aimerez aussi