LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Nisesy noho ny hafainganam-pandeha diso tafahoatra

Mirimorimo aoka izany ireo fiara afaka mifamoivoy eto an-drenivohitra sy ny manodidina ao anatin’izao vanimpotoana fihibohana izao. Tsy mahagaga, araka izany, raha nisesy ny lozam-pifamoivoizana teto an-drenivohitra tato ho ato.

Mila fitandremana ny fampiasana ny arabe fa tsy tokony hatao gaboraraka sy entina hitsapana ny tanjaky ny fiara, hoy ity mpamily iray, mba hisorohana ny loza tampoka. Maro amin’ireo mpamily mampiasa ny arabe amin’izao vanimpotoana fihibohana izao no manampatra ny tanjaky ny fiarany koa manadino tanteraka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Tsy ireo mpampiasa ny fiara ihany no mila mailo sy mitandrina rehefa eny an’arabe fa ny mpandeha an-tongotra ihany koa tsy tokony ho variana loatra amin’ny fahavitsian’ireo fiara mifamoivoy ka hihevitra fa lavitry ny loza amin’atambo eny an-dalambe rehetra eny.

Vao ny andron’ny omaly, no nisehoana lozam-piarakodia nampivarahontsana teny Andohasahalalina Ambohimangakely. Renim-pianakaviana sy ny zanany vavy iray andeha hiantsena teny Mahazo no nijapy kamio fanariana fako. Rehefa tonga teo Andohasahalalina anefa izay somary fiakarana sady fiolanana dia nipitika avy eny ambonin’ilay fiarabe ilay Renim-pianakaviana ary notetezin’ny kodiaran’ilay kamio be. Vokany, maty tsy tra-drano ilay Ramatoa sahabo ho 50 taona. Mila mitandrina ny rehetra fa ny patsa iray tokoa mantsy tsy omby vava.

Vous aimerez aussi