Raha toa ka somary nivaha sy tsy nanana ny hasiny loatra intsony ny Soatoavina malagasy toy ny fanajana ireo Ray aman-dreny, fametrahana amin’ny toerana sahaza azy ireo zokiolona, fifampidinihana, sns, tsikaritra ho nampiverina izany indray ny iainan’ny Malagasy ankehitriny ny fihibohana.
Miha mahazo vahana ny dinidinika ambany tafon-trano, ny amorom-patana. Fotoana sy sehatra malalaka ifampiresahan’ireo Ray aman-dreny amin’ireo zanany, natao hifampizarana fahaiza-miaina, fanabeazana ary fifanakalozan-kevitra hoentina miatrika ny fiainana ankapobeny. Tsikaritra ho nihamafy orina, araka izany, ny fiainan’ankohonana malagasy amin’ny ankapobeny. Mila velarina eny anivon’ny fiarahamonina anefa izany fa tsy kobonina fotsiny ao anatin’ny rindrina efatra fotsiny mba hampirindra ny fiainana andavanandron’ny isam-baravarana. Ny fanomezana hasina ny Soatoavina no antoka iray lehibe ahafahan’i Gasikara mizotra amin’ny lalan’ny fampandrosoana. «Malagasy mandroso fa mijanona ho Malagasy », io no ndeha hatao filamatra e !


