Olona manana fahazoan-dàlana tratra mandeha alina dia voaotra. Mpivarotra anakatona tsena tratran’ny mpitandro filamina dia voatango vola na entana. Famatsiana fanampiana mihena an-toerana,… Izany rehetra izany dia endrika kolikoly avokoa, hoy ny Transparency International (TI) raha namaritra ny fanararaotana mitranga amin’izao vanim-potoan’ny hamehana ara-pahasalamana izao izy.
Nisy, araka izany, ny bokikely navoakan’ny TI tamin’ity andro ity. Boky natao ho toro-làlana mikasika izao kolikoly manjaka izao sy fampianarana indrindra ny mangarahara ihany koa. Izany dia natao ho fanampiana ireo olom-pirenena mba ahazoana mitoroka ireo mpanararaotra.
Nomarihin’ny TI anefa fa mpanelanelana eo anivon’ny fiaraha-monina ihany izy fa ny Birao mahaleotena misahana ny kolikoly (na ny Bianco) ihany no tena tompo-marika amin’ny fanaovana ny fanadihadiana.
Miisa 64 000 ny isan’ireo bokikely natonta tamin’izany ka ireo Faritra ahitana ny valanaretina aloha no hisitraka azy. Eny manko aloha no ahitana ny fanampiana samihafa, toy ny « tosika fameno », « vatsy tsinjo », « vary mora », ka hisehoan’ny endrika kolikoly ihany koa.
Voarakitra ao anatin’izany boky izany ihany koa ny amin’ilay tambavy covid-organics, ahazoan’ny olona mandinika ny toro-hay voarakitra ao.
Misy ihany koa ny fanazavana mikasika izany « hamehana ara-pahasalamana » izany, izay misy ny lalàna mifehy azy, araka ny Lalàmpanorenana,…
Ao anatin’izany no tokony hanjakan’ny mangarahara amin’izay ataon’ny tompon’andraikitra rehetra isan’ambaratonga rehetra.
Misy hatrany anefa ny olom-pirenena no tsy mahazo valiny mahafapo ny amin’ny fomba fitantanana ireny fanampiana ireny. Toa midika izany fa manjaka ny gaboraraka amin’ny fotoan’ny hamehana.


