RAHARAHA « NOSY MANODIDINA » : Nampanantsoina ny Masoivohin’i Frantsa

Nantsoin’ny Lehiben’ny diplaomasia malagasy teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny androany ny Masoivohon’i Frantsa, Christophe Bouchard.

Niompana tamin’ny fikasan’i Frantsa haka ny Nosy Sambatra (na ny île Glorieuses) ny vontoatin’ny diniky ny roa tonta.

Ity Nosy ity izay kasain’ny Frantsay hatao Tahirin-javaboahary natoraly (na Réserve Naturelle Nationale).

Koa nambaran’ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Malagasy, Djacoba Tehindrazanarivelo tamin’ity vahiny ity ny fanoherany sy ny fandavan’ny Fanjakana izany.

Heverina manko fa tsi-fanajana ny dinika efa nifanaovan’ny solontenan’ny firenena roa tonta ny vinavina hakana ireo Nosy ireo. Indrindra, mandika ny lalàna faha-34/91 sy ny 35/123, izay efa fehinkevitry ny Fihaonamben’ny Firenena Mikambana.

Ity fehinkevitra, izay nankatoavina ny 12 desambra 1979 ity manko dia mangataka ny Governemanta Frantsay hanomboka tsy misy hatak’andro ny fifampiresahana amin’ny Governemanta Malagasy, mba hamerenana amin’i Madagasikara ireo Nosy ireo izay nasintaka taminy, tamin’ny fomba tsy ara-dàlana sy hanafoana ireo fepetra rehetra manohintohina ny fiandrianam-pirenena sy mampisaraka ny tanin’i Madagasikara, ary indrindra ny tsy handraisana intsony fepetra mitovy amin’izany ka hampisy fiantraikany amin’ny fikarohana vahaolana ara-drariny mikasika ity fifanolanana ity.

Araka izany, izao vinavinan’ ny Fanjakana Frantsay izao dia maneho ny tsi-fanajana ny firenena Malagasy sady manohitra ny fanambarana efa niarahan’ny roa tonta nanao sonia teto Antananarivo, ny 18 novambra 2019. Ny fandrisihana ny roa tonta hanohy ny fifanakalozan-kevitra no tokony hatao.

Noho izany, ny Fanjakana Malagasy dia manohitra amin’ny fomba hentitra indrindra izany vinavinan’ny Fanjakana Frantsay izany.

Toherin’ny Fitondrana Malagasy ihany koa izay fihetsika hafa rehetra na mivantana na ankolaka ka mety hanohintohina ny fiandrianam-pirenen’i Madagasikara.

Vous aimerez aussi