Nahitana tranga vaovao 1 ny tao Mahajanga, araka ny tatitra tamin’ity anio ity. 17 kosa ny tao Toamasina. Ireo no vokatry ny fitiliana 134 natao.
Araka izany, mitontaly 322 ny isan’ireo efa voa sy voan’ity valanaretina ity eto amintsika.
Miisa 5 kosa ireo nivoaka ny hopitaly androany, izay marary notsaboina tao Toamasina avokoa.
119, noho izany, ny isan’ny sitrana rehetra hatrizay.
203 izany no mbola tsaboina, izay anisan’izany ireo natahorana miisa 2. Voambara anefa fa efa an-dàlam-pahatsarana avokoa na ny 1 ao Toamasina na ilay faharoa etsy Anosiala.
Fivezivezena no nahavoa an’i Mahajanga
Araka ny fampitam-baovao ofisialy dia mponina eto Antananarivo ity voatily ho nitondra tsimokaretina ao Mahajanga ity. Mpiasan’ny Fitsarana izy io ka namita iraka tany an-toerana ny 11 mey lasa teo, no izao voatily izao.
Velona ahiahy, noho izany i Mahajanga manontolo satria ny dengue aza tsy voasoroka kanefa tonga indray ity ny aretim-baovao mampivarahontsana izao tontolo izao.
Tsapa, araka izao, fa tsy mbola voafehy mihitsy ity fivezivezena ity. Rehefa tokony ho fihibohana no atao dia raisina ny fepetra rehetra manoloana izany. Ny antsika kosa anefa hafakely.
Ny tany Toamasina no nitondra ny valanaretina tao Antsirabe teo aloha teo. Izao indray Antananarivo no nitondra ho an’i Mahajanga. Tsy asian-teny intsony moa ireo 16 avy any Tomasina nitondra ny aretina ao Manarintsoa Isotry ao,…
Raha mbola tsy voafehy ny fifezivezena fa ho lasa resabe fotsiny ihany dia hifamindra an-toerana eto isika mianakavy.
Ny bizina rahateo moa mandeha amin’ny fahazoan-dàlana mivezivezy ka asa izay fepetra ho raisin’ny tompon’andraikitra.


