KAOMININA SOAVINA : Olona 1125 nahazo Tosika Fameno

Olona sahirana ara-pivelomanana miisa 1 125 no nahazo ilay Tosika Fameno avy tamin’ny Filohampirenena Andry Rajoelina. Ilay lelavola 100.000 ariary isan’olona nampanantenain’ny Filoha no nozaraina tao amin’ny kaominina Soavina, ny alarobia teo tokony ho tamin’ny 10 ora maraina. Ka ny FID sy ny Paositra Malagasy no nizara izany teny an-toerana tamin’ireo olona sahirana ireo. Nilaza ny Ben’ny tanànan’i Soavina, atoa Rakotoarisoa Rigobert, fa miisa 2 989 ireo olona nisoratra anarana, saingy, nisy ny sivana nataon’ny “Prestataire” ny FID. Nanao fanadihadiana tao anatin’ny iray volana ihany koa izy ireo no sady mahafantatra ny olona tokony hisitraka izany Tosika Fameno izany. Namoaka ny lisitra sy ny anaran’ireo olona nahazo izany ny FID sy ny governemanta, ka ny Paositra no nizara izany vola izany tao amin’ny kaominina Soavina. Nomarihan’ingahy Ben’ny tanàna, fa tsy ny olom-boafidy (ndlr : Ben’ny tanàna) sy ny sefo fokontany akory no nanao ny sivana, fa ny FID. Amin’izao fotoana izao, nahazo fandrahonana ny Ben’ny tanàna sy ny fokontany tamin’ireo olona tsy nahazo izany. Tafiditra tao anaty kizo tanteraka ny Ben’ny tanàna, tamin’izao fizarana ny Tosika Fameno izao, nefa tokony nisy ny fakana ny hevitr’izy ireo, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna. Nisaotra manokana ny Filohampirenena Andry Rajoelina izy tamin’ny fitsinjovana ireo olona sahirana tamin’ny alalan’ireo karazana fanampiana, indrindra fa ny tao amin’ny kaominina Soavina. Lasa nibaby ny fankahalan’ny olona ny Ben’ny tanàna amin’izao, nefa tsy misy mpiaro izy, lasa simba hatramin’ny fihavanana, hoy ny fanazavany. Nomarihan’ny Ben’ny tanàna hatrany, fa tsy tena ireo olona sahirana no mahazo ireo karazana fanampiana tonga teny amin’ny kaominina, fa ireo manambola sy ny manankatao. Vitsy ireo tena sahirana no nahazo izany fanampiana izany, hoy ny fanazavany. Marihana, fa mbola misy ny andiany faharoa amin’io Tosika Fameno io, ka ireo nanao fitarainana ary tsy nahazo tamin’izao Tosika Fameno andiany voalohany izao, dia mba omena amin’io andiany faharoa io, hoy hatrany ny Ben’ny tanàna.

Vous aimerez aussi