ZOTRA AN-DALAMBY FCE : Toby fiantsonana 6 no harenina

Ny taona 1925, tao anatin’ny fanjanahantany tanteraka, nihevitra ny toekarena eto an-toerana ireo mpanjanaka ka nanamboatra ny zotra lalamby mampitohy an’i Fianarantsoa sy ny faritra Atsinanana, tonga ao Manakara na ny Fianarantsoa-Côte Est FCE). Zotra an-dalamby mamakivaky ala hatramin’izay ka hatramin’izao. Efa nisy ny asa natomboka tamin’ny taon-dasa toy ny amin’ny fitaterana an-dalamby sy ny asa fanamboarana ny tetezana ao Sahasinaka amin’ny zotra FCE. Lohamasinina telo no efa tonga eto amintsika amin’izao fotoana izao ho hampiasaina tsy ho ela intsony any amin’ny FCE. Ho amin’ity taona ity kosa dia hanao ezaka goavana ny governemanta amin’ny lafiny maro toy ny fanarenana toby fiantsonana an-dalamby miisa 06 any amin’ny FCE dia ny “Gares ferroviaires” any Manakara, Fenomby, Manapatrana, Tolongoina, Mahabako ary Fianarantsoa. Marihana fa mitondra mpizahantany maro koa ny zotra FCE, vahiny na Malagasy maro. Manomboka ny volana aogositra hatramin’ny oktobra no maha betsaka azy ireo. Isafidianan’ireo mpizahantany io zotra io ny ahitana ireo harena voajanahary karazany maro. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahan-tany anatiny rahateo ny famerenana amin’ny laoniny ny zotra an-dalamby eto amintsika.

Train FCE

Vous aimerez aussi