CORONAVIRUS : Nandavo olona 1 indray

Nandavo olona 1 notsaboina tetsy Andohatapenaka indray ny tsimokarertina coronavirus, araka ny tatitra ofisialy androany. Vehivavy 61 taona izy io ary taizan’aretina diabeta. 13 izany no matin’ity tsimokaretina ity hatrizay.

Olona 25 vaovao kosa indray no voatily ho mitondra ny otrikaretina androany, araka ny fitiliana miisa 346 natao, ka 17 tao Toamasina ary 8 tao Moramanga. Araka izany, manome ny isa 1 403 ireo olona  voany sy efa voany teto amintsika.

Miisa 13 kosa indray no sitrany ka ny 11 tamin’izy ireo dia notsaboina tetsy Befelatanana ary ny 2 hafa tany Tomasina.

Mitontaly 463 izany ny isan’ ireo rehetra sitrana.

Araka izany dia miisa 928 ny isan’ny ireo tsaboina eny anivon’ny hopitaly eny.

Miisa 16 653 kosa ny isan’ny fitiliana rehetra natao hatrizay.

Mifanerasera ny maro

Efa fotoana ifaneraseran’ny maro izao noho ny fitadiavana samihafa. Eo koa anefa ny ankatoky ny fety ho an’ny sasany.

Ilaina indrindra ny fiarovana, noho izany, mba tsy ho ny fitadiavana na ny fanomanana ny fety indray no hahavoa ny aretina, sanatria.

Tsy lafo loatra koa ny fiarovana fa sarontava sy fisasana tànana amin’ny savony dia ampy.

Mila hanaovana hatrany ny sarontava fa tsy voatery esorina rehefa hiteny satria amin’izay indrindra no tena ilana azy mba tsy hipitihan’ny rora.

Vous aimerez aussi