Amperiny amin’ny fiatrehana ny ady atao ho amin’ny valanaretina covid- 19 ankehitriny ny kaominina Ambohimangakely. Miainga amin’ny fitondrana fanentanana ireo mponina hanaja ny fepetra efa nambaran’ny tomponandraikim-panjakana toy ny fihibohana izany ary mitohy amin’ny fikajiana mandrakariva ny lafiny fahadiovana isan-tokantrano sy eny anivon’ireo fokontany miisa 18 mandrafitra ny kaominina.
Miezaka manara-maso ny vidin’ireo entana fampiasa andavandro ilain’ny mponina ihany koa ankehitriny ny fiadidiana ny tanàna eny Ambohimangakely isorohana ny fanarararaotana mety ataon’ireo mpivarotra.
Fepetra hentitra
Naato ny fanatanterahana ny tsena isaky ny alakamisy ho an’ny kaominina Ambohimangakely isorohana ny fitangoronana aterany, hoy ny tomponandraikitry ny tsena. Miara-misalahy hatrany amin’ny fampiharana ireo fepetra isorohana ny fipariahan’ny valanaretina coronavirus ny avy eo anivon’ny fiadidiana ny tanànan’Ambohimangakely sy ny zandarimariam-pirenena. Ireto farany izay hentitra amin’ny fanaraha-maso ny lafiny fifamoivoizana toy ny fanakanana ireo kodiaran-droa « moto » mbola manao taingin-droa sy ny fisavana ny fahazoan-dalana manokana ho an’ireo fiara tazana mbola mifamoivoy.
Voahaja ihany koa ny fepetra tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina hatramin’ny amin’ny 05 ora maraina. Efa misy ny fepetra noraisina hisorohana ny mety ho fanarararaotan’ireo mpamaky trano, hoy ny avy eo anivon’ny tobin’ny zandary Ambohimangakely.


