AMBOHIDRATRIMO SY TALATAMATY : Nanjavona ny vary

Tsy nahitana vary ho vidiana intsony ireo tsena eny Ambohidratrimo sy Talatamaty, nanomboka ny 21 mars lasa teo. Misy ny vary, hoy ireo mponina fa afenin’ireo mpamongady eny an-toerana. Ireo manana fahefa-mividy amin’ny gony ihany, araka izany, no hivarotan’ireo mpamongady vary. Vokany, sarotra ny hahitana vary ho jifaina ho an’ireo mponina eny Ambohidratrimo sy Talatamaty. Tafakatra hatrany amin’ny 4 400 Ar ankehitriny ny iray kilao amin’ny vary gasy eny an-toerana. Manao antso avo ho an’ny avy eo anivon’ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana ireo mponina eny Ambohidratrimo sy Talatamaty mba hijery akaiky sy handray fepetra hentitra manoloana izao endrim-panarararaotana ataon’ireo mpamongady amin’izy ireo izao.

Vanimpotoana sarotra no lalovan’ny firenena ankehitriny koa ilana firaisankina, fifanampiana, fifampitsinjovana. Toa tsy izany anefa no misy sy iainana ankehitriny fa mbola samy tia kely sy tsy mahay mifampitsinjo ihany ny samy Malagasy hatreto.

Vous aimerez aussi